Ry Tanindrazanay
samedi 7 février 2009
Ry Tanindrazanay malala o! Ry Madagasikara soa Ny Fitiavanay anao tsy miala, Fa ho anao doria tokoa
Fiverenena
Tahionao ry Zanahary Ity Nosin-dRazanay ity Hiadana sy ho finaritra He! Sambatra tokoa izahay.
Ry Tanindrazanay malala o! Irinay mba hanompoana anao Ny tena sy fo fanahy anananay, ’Zay sarobidy sy mendrika tokoa
Fiverenena
Tahionao ry Zanahary Ity Nosin-dRazanay ity Hiadana sy ho finaritra He! Sambatra tokoa izahay.
Ry Tanindrazanay malala o! Irinay mba hitahiana anao, Ka ilay Nahary izao tontolo izao No fototra ijoroan’ny satanao.
Fiverenena
Tahionao ry Zanahary Ity Nosin-dRazanay ity Hiadana sy ho finaritra He! Sambatra tokoa izahay.